<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jeso, Vatolampinay FFPM414</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso, Vatolampinay !
 O ! arovy izahay,
 Ka ny fonay mba sasao
 Manafaha anay izao,
 Mba tsy hisy izay hanjo
 Olon-tsy mahitsy fo.

[V2]
 Tsy ny asa izay atao
 Mahatò ny didinao ;
 Tsy ny hazotoam-po
 No mahazo manadio ;
 Tsy ny ranomasonay
 No mahafa-trosa anay.

[V3]
 Tsinontsinona izahay,
 Sady be ny helokay ;
 Ry Mpiaro lehibe,
 Jeso Tompo ! mamonje,
 Fa miankina Aminao
 Izahay mpanomponao.

[V4]
 Tomoera aminay
 Raha ho faty izahay,
 Ary raha hiakatra ao
 Mba hiseho Aminao,
 Jeso, Vatolampinay !
 O ! arovy izahay.</lyrics>
<hymn_number>414</hymn_number>
<author>D.Bortnianskij</author>
</song>